Retour aux actualités
Travaux
04 septembre 2026
Noho ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana foibe sy ny Commune Urbaine Toamasina dia efa natomboka ny fanamboarana ny lalana mirefy 600 metatra izay miainga eo amin’ny Hôtel Marotia Tanambao V ary mivoaka any amin’ny Bazary Ambolomadinika izay natao Béton.
Ho fanatsarana ny fotodrafitrasa sy hisorohana ny dibondrano amin’ity faritra Béryl ity dia tsy maintsy amboarina sy hatsaraina ihany koa ireo lakan-drano fanarian-drano indrindra fa eo amin'ny manodidina terrain Basket.Nanolo-tanana sy nanohana izao asa fanamboarana izao ny Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël.