Tonga niombom-po nijery ny vahoakan'ny Toamasina ary nihaona tamin'ireo mpivarotra niharam-boina teto amin'ny tsenan'ny Bazary kely ny irakin'ny Filohan'ny fanavaozana ny Répoblika Madagasikara izay isoloan'ireo Minisitra vitsivitsy tena.
Retour aux actualités
Général 04 août 2026

Tonga niombom-po nijery ny vahoakan'ny Toamasina ary nihaona tamin'ireo mpivarotra niharam-boina teto amin'ny tsenan'ny Bazary kely ny irakin'ny Filohan'ny fanavaozana ny Répoblika Madagasikara izay isoloan'ireo Minisitra vitsivitsy tena.

Tonga niombom-po nijery ny vahoakan'ny Toamasina ary nihaona tamin'ireo mpivarotra niharam-boina teto amin'ny tsenan'ny Bazary kely ny irakin'ny Filohan'ny fanavaozana ny Répoblika Madagasikara izay isoloan'ireo Minisitra vitsivitsy tena. Nitondra vonjy rano vaky toy ny PPN, vary, vaomaina, kojakoja an-dakozia ary menaka sy savony izy ireo izay notronin'ireo tomponandraikitra eto an-toerana. Nanao fangatahana ireo mpivarotra ny anomezana fitaovana entina hanarenana ny tsena, toy ny tôle, fantsika ary hazo sy ciment. Efa misy ny eto an-toerana ary misy ihany koa ny efa miala any Antananarivo manoloana izany fangatahana natao izany.

Raha ny eto Bazar kely manokana no resahana dia efa in'efatra nandalo fahamaizana toy izao ka fotoana izao andraisana lesona ny mety tsy hiverimberenan'ny loza ary ilaina ny fandraisana andraikitra ny tsirairay.